Notanterahina teto andrenivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony ny «Atrik’asa fakan-kevitra amin’ny famolavolana ny lalàna momba ny faritra manokana amin’ny fampiasam-bola amin’ny fambolena sy fiompiana » na Zone d’Investissement Agricole (Z.I.A), notarihin’ny M2PATE sy ny Ministeran’ny Fambolenasy ny Fiompiana.
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Faritra Matsiatra Ambony, notarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Faritra RANDRIANASOLO Joël Tiana Herizo ; ny Faritra Vatovavy Fitovinany ; Menabe ; Amoron’i Mania,Ihorombe ; ny Fiarahamonim-pirenena,…