FIADIANA NY TOMPONDAKAN’NY MADAGASIKARA BASKET U16

Noraisin’Andriamatoa RANDRIANASOLO Herizo, Lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony, ireo tanora mpanao fanatanjahantena club FANDRASA, notarihin’ireo mpanazatra, avy nanatanteraka ny fiadiana ny Tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Basket ball latsaky ny 16 taona (U16) tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Nibata ny amboara Tompondakan’i Madasikara ireto tanora solotenan’ny Mahatsiatra Ambony ireto,ary nahazo ny Coupe de meilleure joueuse tamin’izany Ramatoa kely RAFIEFERANA Tiavina Alinah.

Namporisika sy nitso-drano azy ireo hahomby hatrany amin’ny fifaninanana rehetra hatao ho reharehan’ny Faritra, Andriamatoa Lehiben’ny Faritra, ary nanolotra lelavola ho mariky ny fankasitrahana.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut