TETIK’ASA EAURIZON SY NY FARITRA MATSIATRA AMBONY – ADY AMIN’NY DORO TANETY

Manoloana ny firongatry ny doro tanety eto anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony izay efa zary loza mitatao sy miteraka olana lehibe amin’ny lafiny maro, dia nanatanteraka dinik’asa ny eto anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony anio alakamisy 9 novambra 2017, notarihin’Andriamatoa Herizo Randrianasolo, Lehiben’ny Faritra, amin’ny alalan’ny Projet Eaurizon/Grand Lyon ary namoriana ireo Ben’ny tanàna ato amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

Tanjona ny hametrahana paik’ady hisorohana ny faharitran’ny rano noho ny fahasimban’ny ala sy ny doro tanety ary ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny ka hahafahana miaro ny « bassin versant » izay miteraka ny loharano ilaina amin’ny fampidirana rano fisotro madio eny anivon’ny mponina.

Ankoatr’ireo fanentanana efa atao eny ifotony dia hisy ihany koa fananganana ny « Unité de protection civile » (hiaro, hisoroka ny doro ala).

Lehibe indrindra amin’izany anefa hoy Andriamatoa Lehiben’ny Faritra ny fiovan-toentsaina, satria mandrora mitsilany ihany raha ny tany sy ny hazo hivelomana sy ny tany hamokarana no potehina.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut