UNIVERSITE DE FIANARANTSOA. FANKALAZANA NY JOBILY FAHA 40 TAONA TETO AMIN’NY FARITRA MATSIATRA AMBONY

Fahombiazana no azo ilazana ny  fankalazana ny faha 40 taonan’ny Universite n’i Fianarantsoa, izay nofaranana tamin’ny Zoma lasa teo. Notanterahaina teo Ambany fiahian’Andriamatoa Praiministra ny hetsika ary notronin’ireo Ministra mpiahy ny Faritra Matsiatra Ambony ,ny Lehiben’ny Faritra Matsiatra ambony,ary ireo solotena avy amin’ireo Universite manerana ny Nosy.

Antok’izao fahombiazana izao ny fiaraha_mientana nisy teo amin’ny Fitondrampanjakana mahefa tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika,ny Mpanabe, ny mpianatra ary ny fiaraha-miasa aminin’ny any ivelany. Foto-drafitrasa maro manaraka ny fivoarana no notokanana. Nisongadina tamin’ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasan’ny Praiministra, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony, ny Lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony fa tombony manokana ho an’ny tanora mpianatra izao fisian’ny fotodrafitr’asa maro eny amin’ny Universite izao mba ho tosika ho azy ireo amin’ny fahalavorarian’ny fianarana ataony, hananan’izy ireo hoavy mamiratra ary ho fampandrosoana ny firenena. Izany no ho tanteraka anefa dia mitaky ny maha-tompon’andraikitra ny tsirairay manoloana ny safidy ataony. Mba ho fianarana misy tanjona sy mitondra vokatra azo tsapai-tànana ary hisy tamberin’andraikitra ho an’ny firenena.

Mbola nohamafisin’Andriamatoa Lehiben’ny Faritra  fa ny Faritra Matsiatra Ambony dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, indrindra ireo mpianatra eny anivon’ny Universite.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut