ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY FAHASALAMANA TETO AMIN’NY FARITRA MATSIATRA AMBONY

Tontosa androany maraina teto amin’ny Lapan’ny Faritra ny dinik’asa fampahafantarana sy fanentanana mahakasika ny tontolon’ny fivarotana sakafo mba ho sakafo mitsinjo ny fahasalamam-bahoaka. Voaresaka tao anatin’izany ny mahakasika ny sakafo lany daty, tsy voaaro amin’ny loto, ny toeram-pivarotana sakafo sy ny fitaovana ampiasaina. Navitrika ny mpandray anjara izay nahitana ireo mpivarotra sakafo (gargotiers,épiciers, santé publique, ny polisy monisipaly,…)

Nisolo tena an’Andriamatoa Lehiben’ny Faritra ny Tale eto anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony misahana ny fampandrosoana, teo ihany koa ny avy ao amin’ny Kaominina Andrenivohitr’i Fianarantsoa, ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Samy nanentana izy ireo ny amin’ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka ka ny fampianarana sy ny fampiofanana toy izao no atao mba hampiharina satria tsy ny fanasaziana no maika.

(azonao alaina ato ny piece jointe mahaka sika ireo andinin-dalàna momba ny fahasalamam-bahoaka sy ny fivarotana sakafo; ary ny fanapoizinana ara-tsakafo)

  

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut