« Tsy ho gisitra intsony i Fianarantsoa,indrindra fa i Matsiatra Ambony,ary ho sangany amin’ny isam-paritra amin’ny fanatanterahana ny Vinan’ny Filoham-pirenena »
Io no nivoitra tamin’ny lahatenin’Andriamatoa RAZAFINDRAFITO Lova Narivelo ,tamin’ny lanonana nandraisany ny fitantanana ny Faritra Matsiatra Ambony,araka ny nanendrena azy ho Governoran’ny Faritra, izay notantanin’ny Lehiben’ny Faritra Mpisolo toerana ,Ramatoa LALAONIRINA Zaïelle.
Tontosa tao anatin’ny firahalahiana ny lanonana;
maro ireo tonga nanatrika ,anisan’izany ireo Lehiben’ny Sampandraharaham_paritra sy ireo solotenam_panjakana manerana ny Faritra, ireo Ray amandreny, ny Fiarahamonim_pirenena,ireo Lehiben’ny Faritra teo aloha,ary ny avy amin’ny tsy miankina.
Miisa enina ireo Minisitra nanome voninahitra ny lanonana,araka ny fanasan’Andriamatoa Governora,izay manamarika fa manandaja amin’ny Fitondram_panjakana ny fampandrosoana ny Faritra Matsiatra Ambony.