Anisan’ny efa nahavita dingana lavitra na ny Grand Lyon,izay misehatra eo amin’ny rano fisotro madio, ny tontolo iainana,ny fahadiovana sy ny fidiovana , na ny Centre Regional d’Observation et de Communication (CROC) Region Haute Matsiatra anisan’izany ny fanadihadiana ifotony teny anivon’ny Kaominina, ny famoriana ireo antontan-kevitra isaky ny sampandraharaha, sns.
Ankehitriny dia misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny roa tonta ka vita rafitra ary tafapetraka ny SIG Regional izay efa afaka ampiasan’izay mila izany.
Araka ny tenin’Andriamatoa Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, nandritra ny fitsidihany ny Biraon’ny CROC sy ny Eaurizon, dia hotohizana sy hitarina amin’ny sehatra maro izany fiaraha-miasa izany ary vonona hanohana hatrany ny MID.