FIJERENA TOERANA HAMETRAHANA TSENA MANARA-PENITRA SY FANADIOVANA TANANA

Classé dans : Commune, Région | 0

Tonga dia asa avy hatrany!
Efatra andro aorian’ny nametrahana azy ho Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony, efa eo ambava asa Andriamatoa RAZAFINDRAFITO Lova.
Tamin’ity androany ity dia nisy ny fidinana ifotony nijerena ny toerana hametrahana tsena manara-penitra eny amin’ireo fokontany be mponina toa an’Imandry, Antarandolo, Antanifotsy; narahin’ireo tompon’andraikitry ny Fananantany sy ny Fandrefesan-tany ary ny avy ao amin’ny Kaominin’i Fianarantsoa.

Ho tanterahina ato anatin’ny fotoana vitsy ny fanarenana ny tanànan’i Fianarantsoa ary izany dia iray làlana amin’ny tetik’asam-pampandrosoana tanterahin’ny Filoham-pirenena.
Noho ny fifampitokisana nisy hatramin’izay dia efa vonona ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina hiara-hiasa ara-pitaovana sy ara-bola amin’ny Governoran’ny Faritra, ka hatsangana ny TASK FORCE hanao ny asa fanadiovana eto andrenivohitr’i Fianarantsoa, mba tena ho mendrika ny maha Renivohi-paritany azy

Share

Laisser un commentaire