TOMPONDAKA NASIONALY AMIN’NY BAOLINA KITRA U13

Noraisin’Andriamatoa Governora tao amin’ny Lapan’ny Faritra ireo zanaky ny Faritra Matsiatra Ambony , Tompondaka nasionaly amin’ny Baolina kitra U 13 avy nandrombaka ny Coupe Nelson Mandela, nandraisan’ireo klioba solotena avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.

Nanolotra lelavola hoan’ireto katitakely ireto ny Governora ary nampanatena azy ireo fa hanampy amin’ny handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanatanterahana ny fifaninana iraisam-pirenena hatrehan’izy ireo atsy Afrika Atsimo ny taona 2020.Nisy ihany koa ny maillot natolotra ny Club Tsaraofana sy ny Ligin’ny Baolina Kitra eto Fianarantsoa. Izany dia vokatry ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’Andriamatoa Lova RAZAFINDRAFITO hatramin’hy naha Depioten’ Ifanadiana azy, sy ny Lyons Club Perpignan Castillet ary ny SIAFM France.

Ho setrin’ny fangatahan’ireo mpitantana fanatanjahan-tena eto Fianarantsoa dia nampanatena izy fa hampita izany amin’ny Filoham-pirenena, ary hoan’ny Faritra Matsiatra Ambony manokana dia hisy ny sampandraharaha hiandraikitra manokana ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut