FANDRINDRANA NY FIFAMOIVOIZANA

Ilana fandraisana andraikitra matotra ny fampanarahan-dalàna ny fifamoivoizana eto andrenivohitr’i Fianarantsoa.
Mba tsy hiverenan’ny loza mahatsiravina toy izay niseho tao Talatamaty tamin’ny Zoma hariva, dia nandray fepetra hentitra ny Fanjakana.

Nisy ny fidinana ifotony niarahan’ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Polisim-pirenena androany tolakandro. Voakasika ao anatin’ity fepetra ity ny fanaovana « Parking sauvage » na ny fiantsonana tsy ara-dalàna manamorona ny Làlam-pirenena, ireo tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana amin’ny lafiny maro.

Ankoatry ny maha tompon’andraikim-panjakana azy anefa dia mandray ny toerana maha Ray aman-dreny eto anivon’ny Faritra Andriamatoa Governora ka niantso ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay amin’ny fampiasana ny làlana.
Hisy hoy izy, ny fepetra henjana ho raisina nefa dingana iray mialoha izany ny fifampitaizana koa manainga ireo mpampiasa làlana mba hiala amin’ny gaboraraka mahazatra.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut