Manomboka ny asa. Ho famerenena ny hasin’ny maha Renivohiparitany ny Tanànan’i Fianarantsoa dia manome tolo-tànana ny CU Fianarantsoa ny Faritra Matsiatra Ambony amin’ny asa fanadiovana.
Tamin’ity androany ity dia nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo ireo Chef Fokontany teo ambany fitarihan’ny Governoran’ny Faritra.
Miara-misalahy amin’izao asa fanarenana an’i Fianarantsoa izao ny hery velona rehetra , mitarika izany ny Governoran’ny Faritra, ny Prefecture,ny Solombavambahoaka,ny Kaominina, ireo Délégués d’arrondissement ,ireo sampandraharaham-paritra (Jirama, transports,travaux publics,…) ary ny polisim-pirenena. Ny dingana miainga avy any anivon’ny isam-pokotany (fivoriam-be fanentanana ny vahoaka, fampahafantarana ireo toerana mila fanadiovana,…) sisa no andrasana fa efa vonona, hoy Andriamatoa Governora, ireo fitaovana sy ny hoenti-manana ara-bola avy amin’ireo sehatra tsy miankina mpiara-miasa.
Efa ankatoky ny fahavaratra izao ka tsy tokony ho taraiky ny fanombohan’ny asa. Hisy ny « recrutement » isaky ny Fokontany, handraisana ireo olona hanatanteraka ny asa fanadiovana.
Mba hampaharitra izany fahadiovana izany anefa dia hisy ny fepetra hentitra hifampifehezana ary hapetraka ireo « Agents de contrôles » isam-pokontany ho mpanara-maso ny fitandroana ny fahadiovana mba hialana amin’ny gaboraraka mahazatra. Isika rehetra miara-mientana no hampandroso an’i Fianarantsoa!