DIABE AMIM-PAHANGINANA

Ho fanomezam-boninahitra sy ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana izay nahafatesana olona telo teo Talatamaty sy nahafatesan’ilay Ramatoa mpangataka teo Ambalapaiso; ho firaisam-po amin’ny fianakaviana, dia naneho firaisan-kina ny vahoakan’i Fianarantsoa tamin’ity zoma ity.
Namaly ny antso nataon’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety sy ny Mpanakanto eto Fianarantsoa izay nikarakara izao fiaraha-maneho firaisankina izao ny Fitondram-panjakana izay notarihin’Andriamatoa Governoran’ny Faritra, ny Depioten’i Fianarantsoa, ireo avy sampandraharaham-panjakana, ireo mpiara-monina, niaraka niombom-po tamin’ireo fianakavian’ny maty ka nanatanteraka diabe teny Talatamaty ary nihazo an’Ambalapaiso.
Fotoana izao hanehoan’i Fianarantsoa fa mahay miray hina isika ka hiara-paly amin’izay mifaly ary hiara-ory amin’izay ory ,tsy hifaly amin’ny fahorian’ny hafa fa manao izay hampahomby ireo izay miezaka eo anivon’ny fiarahamonina.
Ny Faritra Matsiatra Ambony eo ambany fitarihan’Andriamatoa Governora RAZAFINDRAFITO Lova dia mamerina ny teny fampiononana hoan’ireo namoy havana ary mirary fahasitranana haingana hoan’ireo mbola ao anatin’ny fitsaboana.
Andriamanitry ny fampiononanana anie hampahery anareo hatrany.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut