FAHASALAMANA HO AN’NY DAHOLOBE

Classé dans : Santé | 0

Mifandraika indrindra amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana momba ny fahasalamana hoan’ny daholobe, mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka mahatoky an’Andriamatoa Lova Paupil Razafindrafito Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony.

Noraisiny tao amin’ny Lapan’ny Faritra ireo Mpitsabo tonga hanatanteraka asa fitsaboana maimaimpoana eto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.Fandidiana ireo mararin’ny hernis sy Goitre no kasain’ireto mpitsabo avy amin’ny Fikambanana REVIVE avy any Belgique ireto hatao.Ity fikambanana mpitsabo sy mpilatsaka an-tsitrapo ity moa dia tsara ho marihina fa miasa manerana an’i Afrika sy Asia efa ho 15 taona izao.Misy ny asa efa ho tanterahin’ireto mpitsabo ireto any Antalaha ny 12 ka hatramin’ny 26 Oktobra ary ho fanomanana ny eto Fianarantsoa no anton’izao fihaonana izao.

“vahoaka salama, mampandroso tanàna”

Share

Laisser un commentaire