Vahoaka miaina ao anaty fandriampahalemana no afaka handroso, noho izany dia nihaino ny feon’ny vahoakan’i Matsiatra Ambony ny Filoham-pirenena.Koa tamin’ity androany ity dia tonga teto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena nisolo tena ny Praiminisitra, nanolotra fiara tsy laitram-bala miisa telo ary fiaramanidina roa hanampiana tosika ireo ezaka fampandriampahalemana ataon’ny Miaramila sy ny Zandary ary ny Polisy.
Ireo fitaovana ireo dia hijanona ho fitaovan’ny mpitandro filaminana eto an-toerana, hametrahana ilay fandriampahalemana maharitra izay ao anatin’ny Vinan’asan’ny Filoham-pirenena.
Na misy anefa izany ezaka miainga avy any ambony izany dia miantso ny fiaraha-mientan’ny Mpitandro filaminana,ny Mpitondra fanjakana isan-tokony, ireo Sampandraharaham-panjakana,ireo Olo-boafidy ary ny vahoaka aty ifotony mba ho sahy hiady amin’ny kolikoly sy ny tsy maty manota ary tsy hiraviravy tànana satria izany no antoky ny fahombiazanan’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Taorian’ny fivoriana natao tato amin’ny Lapan’ny Faritra dia nihaona tamin’ireo mpitandro filaminana tao amin’ny trano fivorian’ny SEMIPI ny Minisitra ka nampahery azy ireo amin’ny ady izay hatrehana.Toromarika nomeny ny tsy maintsy handresena ny tsy fandriampahalemana ka tsy hikoso-maso mena eo anatrehan’ireo dahalo ambony latabatra sy ireo dahalo an-tanety, mba hiadanan’ny vahoaka izay efa ela nijaliana tao anaty tahotra sy horohoro. Tsy mendrika ny hiaina ao anatin’ny tahotra intsony ny vahoaka Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena