Tafapetraka omaly ireo Talem-paritra dimy hiandraikitra ny Polisim-pirenena ao amin’ny Faritra Vatovavy fitovinany, Ihorombe, Amoron’i Mania, Atsimo Antsinanana ary aty amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka notroni’ireo tompon’andraikim-panjakana eto an-toerana sy avy amin’ireo Faritra hafa.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany, Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka dia nanamafy fa ho fampiharana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana dia nisy ny fanovana rafitra eo anivon’ny Minisitera ka « Direction » no rafitra apetraka hitantana ny Polisim-pirenena aty anivon’ny Faritra mba hisian’ny fanantonana sy ny fiaraha-miasa bebe kokoa amin’ny vahoaka. Izany dia mifanindran-dàlana amin’ilay Fitsinjaram-pahefana tena izy, veliranon’ny Filoham-pirenena, hahafahan’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ho akaiky kokoa ny Sampandraharaha miandraikitra ny Polisim-pirenena ka hahafahana miara-miasa haingana.
Ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony dia mankasitraka ireo ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana aty amin’ny Faritra na amin’ny fampitaovana na ny fampitomboana ny isan’ireo mpitandro filaminana miasa eny anivon’ny vahoaka ,sns.. , satria ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany no anton’izany ezaka izany.
Vonona hiara-hisalahy amin’ny asa fampandriana fahalemana ny Faritra Matsiatra Ambony ary manentana ny vahoaka mba hifanome tànana amin’ireo mpitandro filaminana na amin’ny alalan’ny mpiray Dina na amin’ny fanomezana vaovao marim-pototra fa izany no antoky ny fahombiazana.