ANDRO MANEREN-TANY IADIANA AMIN’NY HOMAMIADAN’NY NONO SY NY VOZON’NY TRANON-JAZA

Ankalazaina eto andrenivohitr’i Matsiatra Ambony ny andro maneran-tany iadiana amin’ny HOMAMIADAN’NY NONO SY NY VOZON’NY TRANON-JAZA.Nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity ny fikambanam-behivavin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony.
Natomboka tamin’ny diabe, ary nitohy tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy fizarana traik’efa ary fampianarana mahakasika ireo fomba fisorohana sy fizahana ny homamiadan’ny nono ny fotoana. Misy ihany koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana .Miara-misalahy amin’ity hetsika ity ny Fikambanana La Vita Per Te, ny Fondation Akbaraly, ny Soroptimist ary ny FISA.

Isika rehetra miara-mientana no afaka hiady amin’ny HOMAMIADAN’NY NONO SY NY VOZON’NY TRANON-JAZA
#Azo_sorohina amin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana ara-potoana
#mety ho voany na lahy na vavy ary tsy mifidy taona
#Efa_misy ny laboratoire fitiliana azy eny amin’ireo Hopitaly manara-penitra sy any amin’ireo toeram-pitsaboana sy ivon-toeran tsy miankina toy ny Fondation Akbaraly.
#Efa_misy eto an-toerana ny fanafody hitsaboana azy, noho izany : mihamaivana ny sara-pitsaboana.

Ny fahasalamana no voalohan-karena koa aza misalasala manantona toeram-pitsaboana! ampahafantaro,entano ny manodidina anao

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut