TAGNAMARO ANDIANY FAHA 8

« Rehefa tsy mandoto ianao dia efa naman’ny mandio! »

Nametraka ohatra harahina hoan’ny mpampiasa ny Tsena anjomà ny Tagnamaro volana Oktobra.
Niara-nirona nanadio ny Tsena sy ny manodidina azy ny avy amin’ny sampandraharaham-paritra, ireo fikambanana tanora eto an-toerana.Nitarika ny hetsika androany ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony ary ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana.

Hoan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony izay miara-miasa amin’ny CU Fianarantsoa, tohanan’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina, dia efa hatomboka ny asa fanadiovana satria efa maro ireo Fokontany nahavita ny fivoriam-bempokonolona. Asa hatao amin’izany ny fanadiovana ireo fako mivangongo, ny lakan-drano tsentsina,…eny anivon’ireo Fokontany

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut