Nanatanteraka atrik’asa narahina ady hevitra niaraka tamin’ny isan-tsehatra teto Fianarantsoa ny BIANCO, notarihin’ny Tale jeneraliny Atoa Laza ANDRIANIRINA.
Niavaka ny an’ny Faritra Mahatsiatra Ambony satria dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Bianco ny Governora. »Hapetraka ho modely amin’ny ady amin’ny kolikoly ny Biraon’ny Faritra Mahatsiatra Ambony,ary atomboka avy ato anatiny ny fanatsarana mba ho ohatra tsara harahin’ny hafa », hoy Atoa Governora.
Nanao ny fanambaram-pananana ihany koa ny Governoran’ny Faritra tamin’ity anio ity araka ny filamatra napetrany hoe:
» tànana madio aho no miditra ato amin’ny Faritra ary manatena ny ho olo-mendrika rehefa mivoaka! ».
Ny tompon’andraikitra amin’ny sampan’asa rehetra mikirakira volam-panjakana dia tokony samy hanao fanambaram-pananana mba tena hisian’ny mangarahara sy ny fanarahan-dalàna, araka ny fanentanan’Andriamatoa Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony