ASA FANADIOVANA, TANTSOROKA HO AN’NY CU FIANARANTSOA

Natomboka io maraina io ny fanadiovana ny tanànan’i Fianarantsoa renivohitra. Vonona ireo mpitatitra mivondrona ao amin’ny APTR-TUF-ACT amin’ny fitanterana ny fako, teo ihany koa ny fampitaovana sy ny tohana ara-bola avy tamin’ireo malala-tanana izay namaly ny antso nataon’ny Governoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony, Atoa Lova Paupil Razafindrafito.
Noho izany dia tsy volam-panjakana fa vokatry ny fifanomezan-tànana ao anatin’ny fifampitokisana no anatanterahana izao asa izao.

« Fihetsika mahate-hidera izao nataon’Atoa Governora izao ka mendrika hisaorana », hoy ny Ben’ny Tanana mpisolo toerana, Atoa ANDRIAMANJATOHASA Jean Honoré. Maro, hoy izy, ny kaominina ato anatin’ny Faritra fa niangaram-pitiavana ny CU Fianarantsoa.
Olona 20 avy amin’ny fokontany, teknisianina vitsivitsy avy amin’ny kaominina sy olon-tsotra no manatanteraka ny asa sy ny fanaraha-maso. Natomboka tamin’ny Fokontany Sahalava sy Tanambao ny asa tamin’ity androany ity ka tsy hijanona raha tsy madio ireo fako eny an-dàlana, any anaty tatatra,sy ireo fako mivangongo manamaimbo tanàna manerana ny Fokontany dimampolo mandrafitra ny CU Fianarantsoa.
Hatolotra ny sefo fokontany ny tanàna madio fa kosa ho hentitra ny mpitondra (Faritra/kaominina) amin’ny tokony hikajiana sy hitazonana izany fahadiovana izany.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut