Niverina aty amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony indray ny AMBOARA hoan’ny Fifaninanana iraisan’ny mpiasam-panjakana ASIEF eo amin’ny Taranja Baolina Kitra.Lavon’ny Ekipa superveteran avy ao amin’ny JIRAMA teo amin’ny lalao famaranana ny Ekipan’ny COSFA ka izao nandrombaka ny Tompondaka nasionaly 2019 izao indray raha tamin’ny 2017 no nahazo izany voalohany.
Raha tonga nangataka tso-drano tamin’Atoa Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony izy ireo tamin’ny hanainga hamonjy ny fifaninanana tany Antsiranana dia izao tonga nanolotra ny amboara izao indray hoan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony ary nisaotra tamin’ny fanohanana.
Ho setrin’ny fangatahan’ireto Ekipan’ny JIRAMA ireto dia nanamafy ny teniny izay efa nolazainy tamin’ireo mpanao fanatanjahantena eto amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony Atoa Lova RAZAFINDRAFITO, fa efa nanohana ary mbola hanohana hatrany ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena. Nampanantena sahady izy fa hanampy ireo hamonjy ny ASIEF 2020 izay hatao any Mahajanga.
Mahakasika ny fotodrafitr’asa dia hisy ny fametrahana toerana hampiasain’ny mpanao fanazaran-tena mba hisian’ny vokatra tsaratsara hatrany. Izany dia iaraha-miasa amin’ny DRJS Haute Matsiatra.
Fianarantsoa mendrika no tanjona!