« Mila atambatra ny hery,atao mitovy ny fomba fiasa raha te
hampandroso ».
Nihaona voalohany tamin’ireo Talem-paritra avy amin’ireo Sampandraharaha miasa ato amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony ny Governora tamin’ity androany ity.
Lahadinika tamin’izao fihaonana izao:
1.Fifankafantarana bebe kokoa eo amin’ireo samy tompon’andraikim-panjakana :Goverinora,Ben’ny Tanàna, Talem-paritra, Lehiben’ny Distrika,…
2.Fampitam-baovao sy fanehoan-kevitra avy amin’ny isan-tsehatra (asa vita,programan’asa,olana atrehana,sosokevitra,…)
3.Ny fampifandrindrana ny fomba fiasa sy ny fomba fijery mba tsy hisy fifanitsahana sy fanilihana andraikitra eo amin’ny samy Sampandraharaha.
Anton’izao fiantsoana fivoriana izao ihany koa ny fanomanana ny Filan-kevitry ny Governora izay iarahan’ny Governoran’ny Faritra 22 amin’ny Filoham-pirenena isaky ny 45 andro.Hatao isaky ny zoma faran’ny volana ny fivoriana toy izao mba hahafahan’ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony mitondra ireo hetahetam-pampandrosoana miainga avy amin’ny mpisehatra tsirairay avy aty ifotony.
Izany dia taratry ny fitsinjaram-pahefana tena izy.