FANADIOVANA NY TANANAN’NY FIANARANTSOA

#ASA_FANADIOVANA_ISAM_POKONTANY : Herinandro faha 2

Araky ny tolo-tànana omen’ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony hoan’ny CU Fianarantsoa dia miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny ASA_FANADIOVANA_ISAM_POKONTANY eto andrenivohitr’i Fianarantsoa. Amperin’asa tanteraka ireo olona nokaramaina handio sy ireo fitaovana ampiasaina.
(+)👍 Efa hifarana ny fanadiovana ny fokontany sahalava (mahasoakely, tambohomandrevo,…) ary efa nisantarana izany i Tanambao,
(+)👍Manomboka manao asa fandiovana faobe ny fokontany Ivory hanamora ny asan’ireo iraky ny Goverinora (tsara halain-tahaka)
(-)👎 Hita taratra fa tena maloto ny tanàna ary ahiana ny hiverimberenan’ireo areti-mifindra toy ny pesta,sns.
Araka izany dia ezahina ho vita alohan’ny fotoam-pahavaratra ny fanadiovana ireo tatatra sy lalan-drano tsentsina ary ireo fako be mameno tanàna.
!!!📢 Etoana dia tsy sasatra ny manentana antsika mianakaby ny Goverinoran’ny Faritra, na misy aza ny fepetra hentitra apetraka hifehezana izany fahadiovana izany dia miantso ny fandavan-tenan’ny tsirairay hitandro ny fahadiovana mba tsy ho rano raraka an-tany izao ezaka efa natombotsika izao. Isika ihany no ho finaritra hiaina ao anaty tanàna madio ary inoana fa tsy hisy olona faly hiaina ao anaty loto sy fako izany eto Fianarantsoa.
🚯 🚮

FIANARANTSOA MADIO MAHA-TE HONINA NO TANJONA

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut