FIKAMBANAN’NY MPIKABARY MALAGASY (FIMPIMA)

Nanatanteraka fivoriam-be tao amin’ny Lapan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony ny FIMPIMA avy amin’ny Distrika fito tamin’ity androany ity ho fanombohana ny taom-pampianarana 2019-2020
Ilaina ny fikolokoloana sy ny fiarovana ny tenin-dreny mba tsy ho very hasina manoloana ny fivoarana misy ankehitriny.Antom-pisian’ny fikambanana toy ny FIMPIMA ny hamelona hatrany ny teny malagasy amin’ny alalan’ny fampianarana kabary, tsy hoan’ny olom-pirenena eto an-toerana ihany fa hatramin’ireo zanaka am-pielezana any andafin-driaka.Marihina fa misandrahaka amin’ny firenena maro ny FIMPIMA ary firenena valo no efa manana toeram-pampianarana efa mijoro ara-dalàna.
Nandritra ny fanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana, ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony dia naneho ny fahavononany hanohana ireo vinan’asa kasain’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ,indrindra ny amin’ny fandraisana ny Zaikabe maneran-tany izay hatao eto Fianarantsoa.
Nanamafy ihany koa any Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa efa an-dalam-panorenana ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera hoan’i Fianarantsoa.Misokatra ihany koa ny Biraon’ny kolontsaina sy ny serasera ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra tsy ankanavaka momba ny kolontsaina (toeram-pivoriana, fandaharana manokana amin’ny haino aman-jery,…)
Ireo rehetra ireo dia mampiseho fa ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia manome lanja ny kolontsaina malagasy. Izany dia mifandraika amin’ny loha-hevitra noraisin’ny FIMPIMA manao hoe « izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany ».
Tonga nitondra fanentanana hoan’ny FIMPIMA Faritany Fianarantsoa ny Filoha nasionaly sy maneran-tanin’ny FIMPIMA ary nampahafantatra ny hetsika izay handraisan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy anjara.

Daty tsara ho fantatra:
21 Febroary 2020 : Andro iraisam-pirenena hoan’ny tenin-dreny
Aogositra 2020 : herinandron’ny kabary (iombonan’ny FIMPIMA maneran-tany),hatao ao Antsirabe.
2022: Zaikabe isan’efan-taona hatao eto Fianarantsoa, ivorian’ny mpikambana rehetra maneran-tany izay handraisana mpizaika maherin’ny arivo

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut