Natomboka tamin’ny diabe, nitohy tamin’ny kabary ifandimbiasana ary nofaranana tamin’ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana hoan’ny daholo be ny fankalazana ny andro maneran-tany iadiana amin’ny Diabeta hoan’ny Renivohitry ny Faritra Mahatsiatra Ambony..
Nisolo tena ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra , Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Oniniaina.
Nasongadiny tao anatin’ny laha-teniny fa tokony hohamaivanina na hatao maimaimpoana mihintsy aza ny fitsaboana ny mararin’ny diabeta mba hamporisika ny olona hanantona toeram-pitsaboana hanao fizahana sy hitsabo tena satria tsapa fa mbola maro ireo marary tsy manao izany. Entanina ny tsirairay hanao fampiasam-batana na fanatanjahantena, eo ihany koa ny fizahana ara-pahasalamana matetika ary indrindra ny fanantonana mpitsabo raha misy ahiahy satria mamono olona maro maneran-tany ny diabeta ,hoy Andriamatoa SG ‘ny Faritra Mahatsiatra Ambony.Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka ny fikarakarana ara-pahasalaman sahaza ary maro ireo mpisehatra manatanteraka izany.
Tsy hadinony àry ny nisaotra ireo mpisehatra rehetra nandray anjara tamin’ity hetsika androany ity dia : ny Sampandraharaham-paritra miadidy ny fahasalamam-bahoaka, ny Lions Club, ny AMADIA, ny FUNFIA,ny LaVitaPerTe,sns…
Fanoitra lehibe amin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana « FAHASALAMANA HOAN’NY DAHOLOBE » ny fisian’izy ireo.
Isaorana manokana ny nisafidianan’ny Minisitera ny Faritra Mahatsiatra Ambony hanaovana ny fanentanana ny ady amin’ny diabeta.
« VAHOAKA SALAMA, VAHOAKA MANDROSO »