FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY FARITRA MATSIATRA AMBONY SY NY BANKY BNI

Nahita ny fahorian’ireo mpianatra milahatra mamaton’alina eo anoloan’ireo Banky eto Tsianolondroa ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony raha nandalo tamin’iny toerana iny.
Nalahelo ireto mpianatra ireto izy ka nanao fifanekem-piaraha-miasa tamin’ny Banque BNI Tsianolondroa ny amin’ny hanamorana ny fandrotsahana ny droit aloan’ny mpianatra.

Tapaka ary fa manomboka ampitso dia ny mpiasan’ny Faritra no hanatitra sy haka ny bordereau de versement ary handray ny versement droit d’inscription hidirana amin’ny Universiten’i Fianarantsoa sy droit hakana diplome BAC avy amin’ireo mpianatra ary ireto farany dia hiandry ao amin’ny efitrano malalaky ny Faritra fa tsy hilahatra ho main’ny hain’andro intsony. Manomboka amin’ny valo ora maraina ny fandraisana azy ireo ato amin’ny Biraon’ny Faritra.


Koa ampahafantaro ary ireo mbola hanao ny fandrotsahana ny droit (inscription sy droit hakana diplome bac) ao amin’ny Banque BNI fa ao amin’ ny Biraon’ny Faritra no handraisana izany manomboka ampitso.
Efa misy ny ekipa natokana hanatanteraka izany.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut