FIFEHEZANA NY DORO TANETY DISTRIKA LALANGINA

Mila fandraisana andraikitra haingana sy hentitra ny fifehezana ny fandoroan-tanety miseho amin’ny tandavan’ala ao amin’ny Distrikan’i Lalangina, Kaominina Androy,10 Km miala ny Faritry ny Parc National Ranomafana.
Nitarika delegasiona nahitana ny Kaomandin’ny miaramila sy ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony hanatanteraka fanadihadiana hahafantarana ny tena zava-misy.Tonga niara-nientana tamin’ izao fitsirihana izao ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana izay tompon’andraikitra voalohany, sy ny madagascar national parcs,ny centre valbio,ary ny sampandraharaha misahana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.
Nanomboka omaly tolakandro ny fanadihadiana sy fisavana ny fisian’ireo mpitrandraka ala tsy ara-dalàna izay notarihin’ireo mpitandro filaminana.Hisy ny fikarohana ireo nahavanona izao doro ala izao ary efa maro ireo vaovao azon’ireo mpitandro filaminana ao mifandraika amin’izany fanadihadiana izany.
Etoana dia mbola manamafy ny teny nataony sy ireo Commandant roa tonta ny Goverinoran’ny Faritra fa tsy maintsy ho saziana ireo mpandoro tanety, ireo mpitrandraka ala tsy manara-dalàna,eo ihany koa ireo tompon’andraikitra izay mbola zatra ny làlan-dririnina ka miray tombontsoa amin’ireo olon-dratsy.Tsy azo andeferana ny fahasimbana toy izao satria ny doro tanety dia voasokajy ho heloka bevava ka sazy henjana no miandry izay tratra manao izany : « IZAY MANDORO TANETY=MANDORO TANINDRAZANA ».Ampahafantarina ihany koa fa naato ny fanomezan-dàlana rehetra momba ny fitrandrahana ala amin’iny faritra iny.
Etoana dia tiana ny mampahafantatra fa hisy akony amin’ny fanjifana arina fandrehitra, hazo,kitay izany fepetra noraisina hiadiana amin’ny baranahiny amin’ny fitrandrahana ala izany.

Manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana izay mitarika hatrany amin’ny olana maro amin’ny fiainana andavanandro, dia entanina ny tsirairay tsy hatahotra hitoroka ireo izay manimba ny ala sy ireo zava-boary arovana.


« HO RAKOTRA ALA I MADAGASIKARA » : io no tanjona hisian’ny fampandrosoana lovainjafy!

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut