FITSIDIHANA NY DISTRIKAN’NY LALANGINA

Nanao fitsidihana amin’ny fomba ofisialy ny Distrikan’i Lalangina ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony tamin’ity androany ity narahin’ny DRAEP sy ny DRCC Mahatsiatra Ambony
Nisy ny fizarana masomboly vary voafantina sy nohatsaraina 790 kilao, ary zezika NPK 90 taonina avy amin’ny fitondram-panjakana foibe, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ho fanampin’ireo fitaovam-pamokarana izay efa nomena ireo tantsaha any an-toerana.
Ny tantsaha no andrin’ny fampandrosoana ka mendrika izao fanohanana avy amin’ny fitondrampanjakana izao. Veliranon’ny Filoham-pirenena ny FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO ka ny tontolo ambanivohitra no iankinan’ny fahatontosan’izany.
Hoan’ny Distrikan’i Lalangina dia vonona ireo mpisehatra rehetra fa hiara-hientana hahatanterahan’izany.
Andriamatoa RAZAFINDRAFITO Lova ,Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony dia tsy nisalasala naneho fa santatra ambava rano ihany izao androany izao fa ny fitondram-panjakana dia miezaka hanakaiky ny vahoaka hatrany. Antony nametrahana ny Goverinoran’ny Faritra ny famahana ny olan’ny vahoaka eny ifotony.
Nanamarika ny lahateniny tamin’izao fitsidihany voalohany ny Distrikan’i Lalangina izao ny fanentanany ny vahoaka handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana Ben’ny Tanana izay hatao amin’ity volana ity, eo ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana ka hialana amin’ny fandripahana ny ala ary hirosoana amin’ny fambolen-kazo.
Ankoatr’zany dia nampahafantatra ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony fa nanokana vola mitentina 100 tapitrisa ariary, ao amin’ny tetibolan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony , hoan’ny Distrikan’i Lalangina.Ny Distrika no manapaka ny hampiasana izany teti-bola izany araka ny filana takian’ny fampandrosoana ao an- toerana.
Ambonin’izany rehetra izany anefa dia nasiany teny ny amin’ny fampandriampahalemana ny Distrika sy ny hametrahana ny Dinam-piarahamonina raisan’i Mahatsiatra Ambony.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut