Ho fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena dia eo andalam-pametrahana ireo fotodrafitr’asa hisitrahan’ny vahoaka eny ifotony ny Faritra Mahatsiatra Ambony izay tarihin’Andriamatoa Goverinora.
Miditra amin’ny dingana manaraka ny amin’ny hametrahana ny tsena manara-penitra hoan’ny Fokontany ny Faritra.
Eny amin’ny toerana nisy ny SOMACODIS taloha no kasaina fa hametrahana izany fotodrafitr’asa izany.
Nidina teny an-toerana ny Goverinoran’ny Faritra sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.
Anton’izao fidinana ifotony izao ny fihaonana tamin’ireo olona mampiasa vonjimaika ity toerana ity.
Araka ny hita tena an-toerana dia misy fiangonana, lakilasy,garage,fitotoam-bary mampiasa azy.Tsikaritra tamin’izany fa tsy voahaja ny fenitra ara-pahasalamana sy fahadiovana amin’ny fampiasana ny fotodrafitr’asa mijoro eny an-toerana.
Ilaina anefa ny fifampiresahana sy fifampidinihana amin’ireo olona mampiasa ny toerana mba hahafahana mandamina ny fanatanterahana ny asa, hoy hatrany ny Goverinoran’ny Faritra.
Hisy araka izany ny fivoriana hiarahana amin’ireo olona izay voakasik’ity asa ity.
Ankoatr’izay dia fotoana nahafahan’ireo tompon’andraikitry ny Faritra ireo nanao fitsirihana ny pitsopitsony rehetra momba ity toerana ity izao fidinana ifotony izao mba hahafahana mahafantatra ny zava-misy
Maro ireo olona kendrena hisitraka izao fotodrafitr’asa kasaina haorina izao ka anisan’izany ireo mpivarotra tsy tafiditra ao amin’ny tsenan’i Tambohobe izay efa an-dàlam-panamboarana, ireo mpivarotra tsy manara-dalàna ao Sahalava sy Antarandolo ka hatrany Ampasambazaha.