FANADIOVANA NY TANANAN’NY FIANARANTSOA

#ASA_FANADIOVANA_ISAM_POKONTANY : Herinandro faha 4 sy faha 5 Fokontany Antarandolo, Mokana, Ivory
Araka ny tolo-tànana omen’ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony hoan’ny CU Fianarantsoa dia miditra amin’ny herinandro fahadimy ny
ASA FANADIOVANA NY ISAM-POKONTANY eto andrenivohitr’i Fianarantsoa.
Amperin’asa tanteraka ireo olona nokaramaina handio sy ireo fitaovana ampiasaina amin’izany.Isaorana ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena manampy amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana nandritra ny fanatanterahana ny asa.

👍👍 maro ny efa mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fahadiovana ka mitandrina tsy manaparitaka fako na fonona biscuit aza
👍👍 manomboka ny fanatanterahana ny PADEVE izay nahazahoan’ny CU Fianarantsoa famatsiana ny amin’ny hanatsarana sy ny fanadiovana ary ny fanajariana ny tanànan’I Fianarantsoa.Hisy araka izany ny hametrahana fanariam-pako vaovao,fanamboarana lalankely,lakan-drano,sns…
👎👎 maro ireo tsy manana Kabone ka manary maloto eny amin’ny fanariam-pako sy amin’ny Lakan-drano.
👎👎 maro ireo manary fako ivelan’ny fanariam-pako sy anaty lakandrano, toy ny eo amin’ny tetezana Ivory
Miditra amin’ny fotoam-pahavaratra isika ary efa miakatra ihany koa ny vokatra litchi sy manga ka somary mananosarotra ny asa fanadiovana.Mila mahatsapa tena anefa ny tsirairay ka hiaina amin’ny fotom-pisainana manao hoe REHEFA TSY MANDOTO IANAO DIA EFA NAMAN’NY MANDIO.Miezaka ireo teknisianina sy ny ekipany ka misy mihintsy ireo miasa alina mba hanafainganana ny fanadiovana ireo tatatra sy lalan-drano tsentsina sy ireo fako be mameno tanàna na dia ao anatin’izao andro ratsy izao aza mba hisorohana ny ireo valan’aretina azo avy amin’ny fiparitahan’ny loto.
!!!📢 Etoana dia tsy sasatra ny manentana antsika mianakaby ny Goverinoran’ny Faritra, na misy aza ny fepetra hentitra apetraka hifehezana izany fahadiovana izany dia miantso ny fandavan-tenan’ny tsirairay hitandro ny fahadiovana mba tsy ho rano raraka an-tany izao ezaka efa natombotsika izao.Isika ihany no ho finaritra hiaina ao anaty tanàna madio ary inoana fa tsy hisy olona faly hiaina ao anaty loto sy fako izany eto Fianarantsoa.
🚯 🚮
FIANARANTSOA MADIO MAHA-TE HONINA NO TANJONA

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut