TOLO-TANANA HO AN’NY FANADIOVANA NY TANANAN’NY FIANARANTSOA

Tsy miasa irery ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony fa miara-miasa malalaka amin’ny sehatra rehetra amin’ny asa fampandrosoana.
Nanolotra vary milanja 6 taonina ho fanomezan-tànana amin’ny asa fanadiovana izay ataon’ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony ny ORN na Ofisim-paritra Miadidy ny Fanjarian-tsakafo izay tarihin’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Armand, Mpandrindram-paritry ny ORN Mahatsiatra Ambony.
Ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony dia mankasitraka ny fiaraha-mientana avy amin’ny isan-tsehatra manoloana ny asa fampandrosoana ny Faritra,satria ny fametrahana an’i Mahatsiatra Ambony ho lohany miohatra amin’ny Faritra hafa dia tanterahina amin’ny asa sy ny fifanomezan-tànana ary ny fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut