FIARAHA-MIASA AMIN’NY GOVERNEMANTA SINOA SY NY FITONDRAM-PANJAKANA MALAGASY

Classé dans : Région | 0

Vokatry ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Governemanta Sinoa sy ny Fitondram-panjakana Malagasy dia nasaina manokana handray anjara amin’ny « Séminaire de haut niveau sur les Responsables des Gouvernements locaux » any Chine ireo Governoran’ny Faritra, anisan’izany Andriamatoa RAZAFINDRAFITO Lova, Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony.
Dimy ambin’ny folo (15)andro ny faharetan’ity seminaire ity.
Tsara ho marihina fa ny fandaniana rehetra (frais de voyage,hébergement,… )dia iantohan’ny Governemanta Sinoa.
Isaorana ny fanjakana foibe manome lanja ny fampandrosoana miainga eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Faritra Mahatsiatra Ambony mandroso no tanjona

Share

Laisser un commentaire