Ity Alarobia 4 desambra ity no nanamarihana ny andron’ny zon’olombelona manerana ny renivohim-paritany 6 eto Madagasikara.
Hoan’i Fianarantsoa dia tao amin’ny Hotel Tombotsoa no nanamarihana izany.Nahitana ny solontenam-panjakana notarihin’ny lefitry ny Préfet de Fianarantsoa sy ny Talen’ny kabinetran’ny Governora.
Nanomana ny hetsika ny fiarahamonim-pirenena avy eto Fianarantsoa sy ny solontenan’ny Haut-commissariat des Nations Unies aux Droits de l’Homme.
Niompana tamin’ny lohahevitra hoe: NY TANORA MIJORO HIARO NY ZON’OLOMBELONA.
Famosahana hevitra mahakasika zon’olombelona sy fanentanana maro samihafa no nanehoana ity fankalazana ny andron’ny zon’olombelona ity.
Laisser un commentaire
Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.