Nifarana androany ny Atrik’asa fakan-kevitra mikasika mikasika ny Lalàna Lasitra mifehy ny Miralenta.
Teto andrenivohitry ny Faritra Mahatsiatra Ambony no nanatanterahana ny fivoriana niraisan’ny faritra atsimon’ny Nosy dia i Toliara,Fianarantsoa ary Antananarivo.
Tonga nanokatra sy nanome voninahitra ny fotoana ary naneho ny heviny tamin’izao atrik’asa izao ny Minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy.Teo ihany koa ireo Solotenam-panjakana eto anivon’ny Faritra ,nahitana ny Sekiretera Jeneralin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony izay nisolo tena ny Goverinora, ny Prefet-n’i Fianarantsoa,ny CU Fianarantsoa, ireo Talem-paritra isan-tokony,ireo Ray aman-dreny aram-panahy sy ara-drazana ary ny Fiarahamonim-pirenena.
Niompana tamin’ny fampahafantarana ny antony sy ny tanjon’ny atrik’asa ny andro voalohany ,narahin’ny asam-baomiera izay nahitana ireo vondrona naneho hevitra mikasika ny Miralenta eo amin’ny sehatra ekonomika,politika,fandriampahalemana,ary eo amin’ny tontolon’ny Lalàna sy ny sosialy.
Namarana ny andro faharoa ny fanehoana ny fehin-kevitra avy amin’ny isam-baomiera ary teo ihany koa ny fakana ny hevitra miainga avy tamin’ireo olon-tsotra sy ireo fikambanana miahy vehivavy sy tanora.
Maherin’ny antsasa-manilan’ny mponina eto Madagasikara dia vehivavy avokoa ary politikam-panjakana ny hampiroboroboana ny vehivavy ka ny fametrahana ny miralenta dia iankinan’ny fanatanterahana izany.
Noho izany dia tsy hijanona ho fanehoan-kevitra fotsiny izaoatrik’asa izao fa ho entina eny anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta ny fehin-kevitra rehetra.Tanjona ny hananganana Lalàna Lasitra hifehy ny Miralenta ka hiaingan’ ireo Lalàna rehetra mbola hiforona ary mety hahakasika ireo lalàna efa nisy
Laisser un commentaire
Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.