FIDINANA TENY AMIN’NY ABATTOIR ANKIDONA

Nanao fidinana tampoka teny amin’ny Abattoir Ankidona ny Goverinora sy ny STAFF-ny, niaraka tamin’ny Prefet sy ny Ben’ny Tananan’ny CU Fianarantsoa, androany tamin’ny enina ora maraina
Matetika no andrenesana fitarainana ny eny amin’ity abattoir ity ka anisan’ny antony nahatonga ireto tomponandraikitra ireto hijery ny zava-misy teny an-toerana momba ny fanarahan-dalàna(fanaraha-maso ireo ratasin’omby,ny kavin’omby,…),ny fahadiovana sy ny fahasalamana,ny fotodrafitrasa
Nitohy tamin’ny fifampiresahana tamin’ireo mpitantana ny Abattoir (ny fikambanana APEXSSOA),ny veterinaire,ny patrôn’omby,ny Gendarme,ary ireo mpamarotra hena ny fotoana
Tanjon’ny fitodram-panjakana ny hamerina amin’ny laoniny ireo fotodrafitr’asa fananam-panjakana mba tena hamokatra bebe kokoa ka hitondra tombontsoa hoan’ny rehetra ny fahatsaran’ny fotodrafitr’asa sy ny fahadiovany.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut