FARITRA MAHATSIATRA AMBONY LAVITRY NY KOLIKOLY

Tontosa ny Atrik’asa niarahan’ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony sy ny Bianco Fianarantsoa, ka nandraisan’ireo mpiasa rehetra ato amin’ny Biraon’ny Faritra, fampiofanana sy fampahafantarana momba ny ady amin’ny Kolikoly.
Ny tapany maraina dia nisy ny fampahafantarana ireo andinindinin-dalàna mifehy ny kolikoly ary nitohy tamin’ny fandraisana ny fanehoan-kevitr’ireo mpiasa (natao an-tsoratra ary ara-tsiambaratelo) mahakasika ny fomba hisorohana ny kolikoly ato amin’ny toeram-piasana, miainga avy amin’ny zava-misy niainana sy ny fitsinjovana ireo izay ahiana fa mety hitranga ihany koa.
Ny tapany tolakandro dia natao ny fandravonana ireo tolon-kevitra ary natsangana ny « cellule anti-corruption » izay napetraka manokana hanara-maso ny fampiharana ny ady amin’ny kolikoly.
Izao no natao dia ho tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Bianco sy Faritra nandritra ny fanambaram-pananana nataon’Andriamatoa Goverinora , ka nametrahany ny filamatra hoe ny Faritra Mahatsiatra Ambony izay eo ambany fitarihany dia ho sampandraharaha modely amin’ny lafiny rehetra ka anisan’izany ny ady amin’ny kolikoly.

ZAY SOA RAHA ATAO RO MIVOATSA

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut