TELETHON FARITRA MAHATSIATRA AMBONY

Vita tolotra teo anivon’ny BNGRC ny Vola voaangona tamin’ny Téléthon izay niantsoana ny vahoakan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony hiara-hientana hanome tolo-tànana ho an’ireo Faritra rahavavy izay niharam-pahavoazana nandritry ny fandalovan’ny andro ratsy teto Madagasikara.
Etoana dia tsy hay ny tsy hisaotra ireo rehetra nandray anjara na fikambanana na olon-tsotra.Ny firaisan-kinan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony no nasehontsika.Tsy nitsanga-menatra isika eto Mahatsiatra Ambony manoloana ny fiarahamonina amin’ireo Faritra rahavavy.
Mirary fiononana feno hoan’ireo fianakaviana namoy havana, mirary fahasitranana haingana hoan’ireo marary ary mankahery ireo fianakaviana sy ny fitondram-panjakana amin’ny fanarenana ireo fananana sy fotodrafitr’asa potika.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut