FIZARANA CONTRAT DE TRAVAIL HO AN’IREO MPANABE EPP

Classé dans : Non classé | 0

FANABEAZANA, FOTOTRY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Notanterahina androany tao amin’ny lapan’ny Faritra ny fizarana ireo contrat de travail hoan’ireo mpanabe ao amin’ny Prescolaire eny anivon’ny EPP.
Izany dia ho setrin’ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena nandritra ny fandalovany teto Fianarantsoa ny amin’ny handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpanabe prescolaire izay nitaraina mafy noho ny fahasahiranana amin’ny maha mpampianatra FRAM azy ireo.
Anisan’ny antoka lehibe eo amin’ny fahombiazan’ny fanabeazana izao fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra ao amin’ny fototry ny fanabeazana izao ary
mendrim-pankasitrahana satria mitsinjo ny maha olona ireo mpanabe sady manamaivana ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra.
Koa misaotra ny Filoham-pirenena ny Goverinoran’ny Faritra, ny Solombavambahoaka; ny Tompon’andraikitry ny fampianarana; ary indrindra ireo Mpanabe sy ireo Ray aman-drenin’ny Mpianatra ; satria nitana ny teniny, nanatanteraka izay nampanantenainy ho fanomezan-danja ireo mpanabe izay mikolokolo ireo ankizy

NY HAZO NO VANON-KO LAKANA mantsy dia NY TANY NANIRIANY NO TSARA!

Share

Laisser un commentaire