FIDINANA IFOTONY TAO @ DISTRIKAN’AMBALAVAO

Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Distrikan’Ambalavao ny Goverinoram-paritra ,niaraka tamin’ny OMC (Prefet;CIRG;ny Komandin’ny Faritany miaramila faharoa;ary ny Talem-paritry ny Polisim-pirenena) sy ny Talem-paritry ny Asa vaventy.
Anton’izao fidinana ifotony izao ny hamahana haingana sy amin’ny fomba mahomby ireo olana iainan’ny vahoaka ao an-terana
Songadina:
▪olan’ny famatsian-drano fisotro madio> vola mitentina valonjato tapitrisa ariary (4 milliards de francs) no hatokan’ny Fitondram-panjakana hoan’ny Distrikan’Ambalavao
▪ny fotodrafitr’asa fampitaovana> misy ny efa eo andalam-panamboarana toy ny Terrain manara-penitra,EPP Manara-penitra,…misy ihany koa no eo andalam-pikarakarana ny hahafahana manorina (CEG), ary hahazo ny anjarany amin’ireo fotodrafitr’asa maro haorina ny Distrikan’Ambalavao (toeram-pitsaboana,…), efa tonga ihany koa ary efa miasa ireo Camion Benne miampy « Bacs à Ordure » nampanantenain’ny Filoha hoan’ny CU Ambalavao.
▪Fandriampahalemana> amafisana ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra; tohanana sy amafisina ny SOA MIRAY DIA izay ny Distrikan’Ambalavao no nipoirany; hitarina amin’ny lafin’ny fampandrosoana ny andraikitry ny Soa Miray Dia(tontolo iainana, ekonomika,sosialy,fandriampahalemana…)
▪Famahana ny olana maro hafa toy ny olan’ny fananan-tany izay sedrain’ny sampandraharahan’ny Topo Ambalavao ; teo ihany koa ny fandoavana ny Tambin-karaman’ireo Sefo Fokontany ao amin’ny Fokontany miisa 165 ao amin’ny Kaominina 18 manerana ny Distrikan’Ambalavao
▪Fandraisana ny fitarainan’ireo vahoaka sy ireo mpitondra any an-toerana
Fahavononana no setrin’ny fanentanana nataon’Andriamatoa Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony tamin’ireo Mpitondra sy ireo vahoaka any an-toerana izay tonga maro, niara-nientana nanatrika ity fitsidihana nataony androany ity.
Nisy ny fepetra afaka noraisina avy hatrany tamin’ity androany ity ary hisy ihany koa ny fitohizana sy fanjohiana ho an’izao ezaka fampandrosoana ny Distrikan’Ambalavao izao

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut