“Andao hamboly hazo…
Tontosa tamin’ity androany ity ny fambolen-kazo izay notarihin’ny Goverinoran’ny Faritra sy ny Sampan’asa ato amin’ny fiadidiana ny Faritra Mahatsiatra Ambony.
Izany dia natao tao amin’ny Kaominina Vohibato Ouest, Distrikan’i Vohibato , nanasana ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina, ireo sekoly sy fikambanana maro samihafa ary niaraha-niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sehatra maro (mpandraharaha, projet/programme,…)
Hazo kininina mena sy acacia miisa roa alina fototra no novolena tamin’ny tany mirefy folo hekitara.Olona an’arivony no namaly ny antso sy niara-nientana na teo aza ny hatsiaka sy ny orana tamin’ity andro androany ity.
Hoan’ity taom-pambolen-kazo 2019-2020 ity dia zanakazo miisa telo tapitrisa no anjaratsika eto amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony koa ankasitrahana ireo rehetra izay efa nanao izany fambolen-kazo izany ary mbola mamerina ny fanentanana ireo Sampandraharaha tsirairay (CTD,STD,Projets,ONG,Collectivité,Ecoles,…) sy ireo fikambanana samihafa mba samy hanatanteraka ny adidiny.
…Madagasikara rakotra ala no tanjona”
Laisser un commentaire
Vous devez être connecté pour publier un commentaire.