Nanditra ny lanonana manetriketrika fanolorana Samboady ireo Ben’ny Tanàna manerana ny Faritra dia nisy ny fanolorana fiara tsy mataho-dàlana ho an’ny Distrikan’i Lalangina sy ny Prefektoiran’i Fianarantsoa.
Natolotra ny CU Fianarantsoa ihany koa ny kamiao benne roa sy « bac à ordure » miisa folo.
Ireo fanomezana ireo dia mba ho fanomezan-tànana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Tsy misy Faritra sy firenena mandroso, hoy ny Minisitra, raha tsy miainga avy eny ifotony; noho izany dia omena tosika ireo Faritra, ny Kaominina sy ireo fokontany.
Ho marik’izany dia tetibola 15 Tapitrisa ariary no natokana hoan’ny Kaominina ary 5 lavitrisa ariary hoan’ny Faritra tsirairay ao amin’ny tetibolam-panjakana.Maro ihany koa ireo programan’asa sy fanorenana fotodrafitr’asa avy amin’ny Fanjakana foibe sy ny Goverinoran’ny Faritra.Samy hahazo anjara amin’ izany daholo ny Distrika tsirairay
Na misy aza anefa ny tohana avy amin’ny fitondrana dia notsipihan’Andriamatoa Minisitra fa ny Kaominina mahazaka tena no kaominina mandroso.Tsy Ben’ny Tanàna hiraviravy tànana no hahatanteraka izany , tsy hiandry hotoloram-potsiny fa hikaroka izay hampandroso sy hanetsiketsahana ny Kaominina iandraiketany.
ZAY SOA RAHA ATAO RO MIVOATSA