Nitohy tao amin’ny Distrikan’i Lalangina ny fitetezam-paritra tanterahin’ny Goverinora sy ny OMC.
Toy ny tao Ambalavao sy Vohibato dia ny Fandriam-pahalemana andraisan’ny rehetra anjara sy ny fampandrosoana isitrahan’ny tsirairay no votoatin’ny atrik’asa.
👉Fandriampahalemana: mitohy hatrany ny ezaka ho amin’ny fandriampahalemana maharitra ka hapetraka ny Brigade hahenika ny Distrika rehetra ; mandray ny andraikiny ny Mpitandro filaminana sy ny vahoaka ka azo tsapain-tànana ny vokatr’izany eo amin’ny fandriampahalemana ,
👉Fampandrosoana: ankoatry ny fizarana masom-boly sy zezika ary fitaovam-pambolena tamin’ny fitsidihana voalohany notanterahin’ny Goverinoram-paritra tao Lalangina dia nampanantena ihany koa izy fa hahazo anjara amin’ny Hopitaly sy Stade manara-penitra ary ny EPP manara-penitra izay haorina manerana ny Faritra ny Distrikan’i Lalangina.
👉Nahazo fiara 4*4 avy tamin’ny Fanjakana Foibe ny Distrikan’I Lalangina ary mbola maro ireo programan’asam-pampandrosoana avy amin’ny Tetik’asan’ny Filoham-pirenena ary andrasana ihany koa ny hetahetam-pampandrosoana avy amin’ireo Ben’ny tanàna ka hahafahan’ny Goverinora mametraka ny fampandrosoana tena ilain’ny eny ifotony.
👉Natolotra azy ireo ny Tambin-karaman’ireo Sefo Fokontany miisa 111 ao anatin’ny Distrikan’i Lalangina ary novitaina naloa daholo ny tambin-karama rehetra taloha izay tsy voaloa .
Tsy fombafomba fotsiny ny fidinana ifotony fa tena misy akony tsara hoan’ny vahoaka.Tsy mitsaha-miroborobo ireo fikambanana tantsaha noho ny nisitrahan’izy ireo ny tohana avy tamin’ny fitondram-panjakana ka nijoro vavolombelona ireto tantsaha ireto fa nitombo avo telo heny ny voka-bary noho izany famatsiana ara-pambolena izany;
Ahitam-pahombiazana ireo fanentanana sy toromarika apetrak’ireo Kômandy isan-tokony ao amin’ny OMC hoan’ireo tompon’nadraikitra sy vahoaka eny ifotony.Tsapa fa mahomby ny ezaka fampandriampahalemana ao amin’ny Distrikan’I Lalangina.
MAHATSIATRA AMBONY TSY MAINTSY MANDROSO!