FIKAONAN-DOHA REZIONALY HO FANOMANANA NY TETI-BOLA 2021

Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ary ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola ,tontosa androany tolakandro ny Fikaonan-doha rezionaly ho fanomanana ny teti-bola nasiam-panintsiana 2020 sy ny Teti-bola fototra 2021.
Izany dia nanasana ireo Tale isan-tokony sy ireo olom-boafidy ary ireo solotenam-panjakana eto an-toerana.
Natao izao fikaonan-doha izao hahafahana mandray ny hetahetam-pampandrosoana avy amin’ny sehatra tsirairay indrindra ny an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Fomba fiasa vaovao tokoa izao tanterahina izao satria ny fitondram-panjakana ankehitriny dia manome lanaja ny vondrom-bahoaka aty ifotony ary mametraka ho lahara-pahamehana ny fampandrosoana miainga avy amin’ny tena filana aty anivon’ny vahoaka
NY FAHAIZA-MANDAMINA NO ENTI-MANDROSO

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut