Nofaranana tamin’ny fambolen-kazo ny atrik’asa nataon’ny eo anivon’ny Filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM tamin’ity androany ity.
Izany dia ho mariky ny firaisan’ireo sehatra samihafa nandray anjara tamin’ny fametrahana ny SIFF na Sehatra Ifampidinihana eto amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, natao teto andrenivohitry ny Faritra Mahatsiatra Ambony , ary natrehan’ireo olom-boafidy,solotenam-panjakana ,ireo Ray aman-dReny ary ny CFM avy amin’ny Faritany enina. Nitarika ity fotoana ity ny Filoha nasionalin’ny CFM ary natrehan’ny solotena avy ao amin’ny fiadidiana ny Repobilika.
Hazo Mantalys no hazo natokana hambolen’ireo Ray aman-dreny ara-panahy ho mariky ny maha fialofana hoan’ny vahoaka ireo Ray aman-dreny ara-panahy ireo ; amontana kosa no nambolen’ireo Ray aman-dreny ara-drazana ho mariky ny fiandrianana ;ary Volo (na bambou) no nambolen’ireo solotenam-panjakana ho mariky ny maha mpampiray ny malagasy azy ireo.
Midika izany fa na samy manana ny maha-izy azy aza ny sokajy tsirairay dia afaka mifameno mba hahatanteraka ny tanjona iraisana dia ny hiadanan’ny vahoaka.
Hitondra fampandrosoana sy fandriampahalemana, hameno ny ezaka izay efa natomboka eto amin’ny Faritra anie izao fisian’ny SIFF izao ary hamelona sy hanome hery ny fihavanana izay soatoavina reharehan’ny fiarahamonina malagasy.