FIJERENA NY ASA FANORENANA NY HOPITALY MANARA-PENITRA AO AMBOHIMAHASOA

Nijery ny fandehan’ny asa fanorenana ny #Hopitaly_manara_penitra ao Ambohimahasoa ny Goverinoram-paritra sy ireo Delegasiona niaraka taminy dia ny Prefet-n’i Fianarantsoa, ny Chef de District Ambohimahasoa sy ny Solombavambahoaka, ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka, ny CIRGN ary ireo STAFF’ny Govervinoran’ny Faritra.
Mandeha ny asa izay nankinina tamin’ny Entreprise Immobiliere Fanomezantsoa ary efa eo andalam-pahavitana.
Maro ny asa fampandrosoana avy amin’ny Filoham-pirenena izay efa isitrahan’ny Distrikan’Ambohimahasoa ka santionany amin’izany ny Toby miaramila napetraka ao Ambalakindresy, ny Hopitaly manara-penitra ao Ambohimahasoa,eo ihany koa ny fizarana zezika hoan’ireo tantsaha,…
Nankasitraka izao fitetezam-paritra izao ireo tompon’andraikitra eny ifotony satria fotoana nahafahan’izy ireo nifampitafa mivantana ity fotoana ity ary nilazan’izy ireo ny hetahetam-pampandrosoana avy amin’ny fokontany sy ny Kaominina tsirairay misy azy

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut