8 MARSA 2020

« Izaho sy ianao, isika rehetra miombon’andraikitra hisitrahan’ny vehivavy ny Zony »

Tsy ho latsa-danja ny fankalazana ny 8 Mars ho antsika eto amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony
Ho tanterahina eto Fianarantsoa mandritra ny herinandro ny Fankalazana Rezionaly.
👉Maro ny hetsika hatao ; Fikambanana, olon-tsotra , samy entanina handray mavitrika amin’izany!
Hisy ny Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana;Fiarahana manao zaridaina sy manadio; Atrik’asa arahina ady hevitra ;Fiofanana hoan’ny vehivavy;Fifampizarana maro samihafa; Fizahana ara-pahasalamana; ZUMBA, Alim-pandihizana ary ny Carnaval
Indro omena anao ny fandaharam-potoana ankapobeny!
👍 Tongava maro!

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut