FAMETRAHANA NY SYSTEME AUGURE

Nandray ny Minisitry Asam-panjakana sy ny Asa ary ny lalàna sosialy ny teto andrenivohitry ny Faritra tamin’ity androany ity.
Antony lehibe amin’izao fahatongavan-dRamatoa Minisitra izao ny hametrahana ny Systeme AUGURE amin’ny Faritra Ihorombe,Amoron’i Mania ary Mahatsiatra Ambony. Izany dia natao hanatsarana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana,eo ihany koa ny fanamafisana ny toromarika momba ny tamberin’andraikitra takian’ny vahoaka amin’ny mpiasam-panjakana tsirairay.
Eo ihany koa fampahafantarana sy fampiomanana ny amin’ny handraisan’ny eto andrenivohitry ny Faritra ny Hetsika Seraben’ny Asa izay fanararaotra hoan’ireo tanora eo ampitadiavana asa sy eo ampanomanana ny hidirana amin’ny sehatry ny asa.
Ankoatr’izany anefa dia tsy nataon’ny Minisiteran’ny Asa ambanin-javatra ny fitahiana ara-tsosialin’ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ka nisy ny fidinana ifotony niarahan’ny Minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo Solotenam-panajakana sy Olom-boafidy eto an-toerana izay notarihin’ny Goverinora sy ny Solombavambahoaka.
Natomboka tamin’ny fijerena ireo fotodrafitr’asam-panjakana eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny lalàna sosialy izay efa simba sy tsy miasa intsony;
Nitohy tamin’ny fitsidihana ny CNAPS sy ny OSIEF izay marihina fa sampan’asa roa samy manana ny maha izy azy eo amin’ny lafin’ny fitahiana ara-tsosialin’ny mpiasa;
Nanaovana fitsirihana ihany koa ireo orin’asa tsy miankina roa lehibe eto Fianarantsoa dia ny Le Relais de Madagascar sy ny Bionnex ka nisy ny dinidinika niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ireo mahakasika ny lafin’ny fiahiana ara-tsosialy sy ny maha olona ireo mpiasa ho fampifandrindrana izany araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena dia
Ny “fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa azo antoka sy ny tontolon’ny asa manaja ny zo maha-olona” ho taratry ny fampandrosoana isitrahan’ny rehetra.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut