FIHAONANA TEO AMIN’NY MPITONDRA FANJAKANA ETO AMIN’NY FARITRA MAHATSIATRA AMBONY SY NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA

Miroso hatrany ny ezaka fandriampahalemana maharitra ataon’ny Fitondram-panjakana eto amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony.
Tamin’ity androany ity dia tonga teto Fianarantsoa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, nanatanteraka fihaonana tamin’ny Goverinoram-paritra sy tamin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny Polisim-pirenena eto anivon’ny Faritra, tarihin’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka.
Anton’izao fitsidihan’ny Minisitra izao ny mahakasika ny rindran-damina anatiny eo anivon’ny Polisim-pirenena.
Eo ihany koa ny fanatsarana sy fampifandrindran’asa ka anamafisana ireo paik’ady efa misy ary indrindra ny fampahafantarana sy fametrahana ireo drafitra vaovao mba tena ho tafapaka any amin’ny vahoaka ny ezaka apetraky ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
Nampahafantatra ny fisian’ny fiaraha-miasa mavitrika eo amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony sy ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka, ao anatin’ny OMC, Andriamatoa Goverinoram-paritra ary nanamafy hatrany ny fahavononany hiara-hiasa hatrany amin’ny mpitandro filaminana.
Nankasitraka ny tompon’andraikitra rehetra miara-misalahy amin’izany fandriampahalemana izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, satria efa hita taratra ary azo tsapain-tànana ny vokatra
Tanjona ny hanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana dia ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka, manome tamberin’andraikitra azo refesina, isitrahan’ny ambanivohitra sy antanàn-dehibe.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut