***Ny fahaiza-mandamina no enti-mandroso***
Tontosa soa aman-tsara ny fivoriana niarahan’ny STD Mahatsiatra Ambony hoan’ity volana Marsa ity.
Ity fotoana ity dia natokana hanaovana tatitra, fampahafantarana, fanentanana avy tamin’ireo sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny,izay tanterina toy izao.
**Hoan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony dia ny Goverinora no nandray anjara tamin’izany ary nitondra fampahafantarana mahakasika ny hisian’ny atrik’asa fampiofanana ireo Ben’ny Tanàna rehetra manerana ny Distrika 7 ,ka nampahafantarany sy nanentanany ny amin’ny hanatanterahana izany amin’ny faha 23 hatramin’ny 26 Marsa ho avy izao.
Eo ihany koa ny fisaorana ny mpandray anjara rehetra tamin’ny herinandro nankalazana ny valo marsa.
**Prefet-n’i Fianarantsoa:
Fampahafantarana sy fampiomanana ny amin’ny fahatsiarovana ny 29 Marsa.Ankoatry ny lanonam-pahatsiarovana dia efa nanomboka ny hetsika ara-kolontsaina hanamarihana izany
Karam-panondro: nanome toromarika Atoa Prefet fa tsy misy mahazo manao asa mahakasika ny fanamboarana karam-panondro ankoatry ny Delege sy ny Distrika ( plastification,…)
**Talem-paritry ny Mponina:
fisaorana noho ny fiaraha-mientana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny fankalazana ny Valo Marsa ( fankalazana Rezionaly sy Nasionaly) ary fampahafantarana mahakasika ny RESTO DU COEUR izay hanomezana sakafo mafana ireo zaza amam-behivavy voafonja (hiarahan’ny Komitin’ny Valo Marsa)
**Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena:
Fampahafantarana ny hetsika “ISIKA REHETRA HIHAZAKAZAKA HOAN’NY FAHASALAMANA” ny Sabotsy 28 Marsa;
fampahafantarana ny hetsika fambolen-kazo ny Zoma 13 Marsa izay karakarain’ny ao amin’ny DRJS.
**Centre Immatriculateur: fanazavana mahakasika ny Premis biometrique tsy izy sy ny hanoloan’ny fanjakana azy ireny maimaimpoana manomboka amin’ity taona ity, amin’ny Permis biometrique tena izy (misy ny lamina manokana apetraky ny centre immatriculateur momba izany);
Nisy ihany koa ny fampahafantana mahakasika ny fandehanan’ny Guichet unique izay napetraka hitantanana ny CIM.
ZAY SOA RAHA ATAO RO MIVOATSA