Niditra an-tsehatra amin’ny fanadiovana ireo BUXI sy ireo Taxi eto andrenivohitra ny Goverinoram-paritra sy ny CU Fianarantsoa. Diovina manoloana ny Lapan’ny Tanàna ireo fiara mpitatitra amin’ny alalan’ny fanaparitahana ranom-panafody Disinfectants. Zava-dehibe ny fahasalamam-bahoaka ka tokony hanaram-penitra ny fahadiovan’ireo fiara fitaterana sy ireo miandraikitra izany. Notanterahina niaraka tamin’ity fanadiovana ity ihany koa ny fanaraha-maso ny taratasin’ireo fiara.