Tonga nitsidika ny fizotry ny fanamboarana tsena izay atao eo amin’ny EX-Somacodis ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana niaraka amin’ny governoran’ny Faritra.
Vinavinaina ho vita amin’ny fihandohan’ny volana jolay ny asa, ka efa mihoatra ny antsasany no vita.
Manaram-penitra ny tsena ary ho hita ao avokoa ny seha-pivarotana rehetra misy hatramin’ny fivarotana anana ka hatramin’ny haitao ara teknolojia moderna sy ny lamody isan-karazany.
Nisaotra ny Filoham-pirenena ny Governoran’ny Faritra noho ny famatsiam-bola ahafahana manatanteraka ny asa.
Nankasitraka manokana ity fotodrafitr’asa kasain’ny Faritra ho tanterahana ity ny Minisitra.